Jehoahaz King of Israel
1. In the three and twentieth year of Joash the son of Ahaziah king of Judah Jehoahaz the son of Jehu began to reign over Israel in Samaria, and reigned seventeen years.
1. La vingt-troisième année de Joas, fils d`Achazia, roi de Juda, Joachaz, fils de Jéhu, régna sur Israël à Samarie. Il régna dix-sept ans.
1. Tamin' ny fahatelo amby roapolo taona nanjakan' i Joasy, zanak' i Ahazia, mpanjakan' ny Joda no vao nanomboka nanjaka tamin' ny Isiraely tany Samaria i Joahaza, zanak' i Jeho, ary nanjaka fito ambin' ny folo taona izy:
2. And he did that which was evil in the sight of the LORD, and followed the sins of Jeroboam the son of Nebat, which made Israel to sin; he departed not therefrom.
2. "Il fit ce qui est mal aux yeux de l`Éternel; il commit les mêmes péchés que Jéroboam, fils de Nebath, qui avait fait pécher Israël, et il ne s`en détourna point."
2. "Ary nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah izy, fa nanaraka ny fahotan' i Jeroboama, zanak' i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely; tsy niala tamin' izany izy."
3. And the anger of the LORD was kindled against Israel, and he delivered them into the hand of Hazael king of Syria, and into the hand of Benhadad the son of Hazael, all their days.
3. La colère de l`Éternel s`enflamma contre Israël, et il les livra entre les mains de Hazaël, roi de Syrie, et entre les mains de Ben Hadad, fils de Hazaël, tout le temps que ces rois vécurent.
3. Ary ny fahatezeran' i Jehovah nirehitra tamin' ny Isiraely, ka dia natolony teo an-tanan' i Hazaela, mpanjakan' i Syria sy teo an-tanan' i Beni-hadada, zanak' i Hazaela nandritra ny androny rehetra izy.
4. And Jehoahaz besought the LORD, and the LORD hearkened unto him: for he saw the oppression of Israel, because the king of Syria oppressed them.
4. Joachaz implora l`Éternel. L`Éternel l`exauça, car il vit l`oppression sous laquelle le roi de Syrie tenait Israël,
4. Ary Joahaza nifona tamin' i Jehovah, dia nohenoin' i Jehovah izy, satria hitany ny fahorian' ny Isiraely, fa nampahory azy ny mpanjakan' i Syria.
5. (And the LORD gave Israel a saviour, so that they went out from under the hand of the Syrians: and the children of Israel dwelt in their tents, as beforetime.
5. et l`Éternel donna un libérateur à Israël. Les enfants d`Israël échappèrent aux mains des Syriens, et ils habitèrent dans leurs tentes comme auparavant.
5. (Ary Jehovah nanome mpamonjy ho an' ny Isiraely ka dia afaka tamin' ny tanan' ny Syriana izy, ary dia nitoetra tao an-dainy toy ny teo aloha ny Zanak' Isiraely.
6. Nevertheless they departed not from the sins of the house of Jeroboam, who made Israel sin, but walked therein: and there remained the grove also in Samaria.)
6. "Mais ils ne se détournèrent point des péchés de la maison de Jéroboam, qui avait fait pécher Israël; ils s`y livrèrent aussi, et même l`idole d`Astarté était debout à Samarie."
6. Kanefa tsy niala tamin' ny fahotan' ny taranak' i Jeroboama, izay nampanota ny Isiraely izy, fa nandeha tamin' izany ihany, ary na dia ilay Aseraha aza dia mbola tao Samaria ihany).
7. Neither did he leave of the people to Jehoahaz but fifty horsemen, and ten chariots, and ten thousand footmen; for the king of Syria had destroyed them, and had made them like the dust by threshing.
7. "De tout le peuple de Joachaz l`Éternel ne lui avait laissé que cinquante cavaliers, dix chars, et dix mille hommes de pied; car le roi de Syrie les avait fait périr et les avait rendus semblables à la poussière qu`on foule aux pieds."
7. "Fa tsy nisy sisa navelan' i Jehovah ho an' i Joahaza, afa-tsy mpitaingin-tsoavaly dimampolo sy kalesy folo ary miaramila an-tongotra iray alina; fa ny mpanjakan' i Syria efa nandringana azy ka nanao azy ho toy ny vovoka hitsakitsahina."
8. Now the rest of the acts of Jehoahaz, and all that he did, and his might, are they not written in the book of the chronicles of the kings of Israel?
8. Le reste des actions de Joachaz, tout ce qu`il a fait, et ses exploits, cela n`est-il pas écrit dans le livre des Chroniques des rois d`Israël?
8. Ary ny asan' i Joahaza sisa mbamin' izay rehetra nataony ary ny heriny, tsy efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjakan' ny Isiraely va izany?
9. And Jehoahaz slept with his fathers; and they buried him in Samaria: and Joash his son reigned in his stead.
9. Joachaz se coucha avec ses pères, et on l`enterra à Samarie. Et Joas, son fils, régna à sa place.
9. "Ary Joahaza lasa nodimandry any amin' ny razany, dia nalevina tao Samaria izy; ary Joasy zanany no nanjaka nandimby azy."
Jehoash King of Israel
10. In the thirty and seventh year of Joash king of Judah began Jehoash the son of Jehoahaz to reign over Israel in Samaria, and reigned sixteen years.
10. La trente-septième année de Joas, roi de Juda, Joas, fils de Joachaz, régna sur Israël à Samarie. Il régna seize ans.
10. Tamin' ny taona fahafito amby telopolo nanjakan' i Joasy, mpanjakan' ny Joda, no vao nanomboka nanjaka tamin' ny Isiraely tany Samaria i Joasy, zanak' i Joahaza, ary nanjaka enina ambin' ny folo taona izy.
11. And he did that which was evil in the sight of the LORD; he departed not from all the sins of Jeroboam the son of Nebat, who made Israel sin: but he walked therein.
11. "Il fit ce qui est mal aux yeux de l`Éternel; il ne se détourna d`aucun des péchés de Jéroboam, fils de Nebath, qui avait fait pécher Israël, et il s`y livra comme lui."
11. "Ary nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah izy; fa tsy niala tamin' ny fahotana rehetra izay nataon' i Jeroboama, zanak' i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely; fa nandeha tamin' izany ihany izy."
12. And the rest of the acts of Joash, and all that he did, and his might wherewith he fought against Amaziah king of Judah, are they not written in the book of the chronicles of the kings of Israel?
12. Le reste des actions de Joas, tout ce qu`il a fait, ses exploits, et la guerre qu`il eut avec Amatsia, roi de Juda, cela n`est-il pas écrit dans le livre des Chroniques des rois d`Israël?
12. Ary ny asan' i Joasy sisa mbamin' izay rehetra nataony sy ny heriny niadiany tamin' i Amazia mpanjakan' ny Joda, tsy efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjakan' ny Isiraely va izany?
13. And Joash slept with his fathers; and Jeroboam sat upon his throne: and Joash was buried in Samaria with the kings of Israel.
13. Joas se coucha avec ses pères. Et Jéroboam s`assit sur son trône. Joas fut enterré à Samarie avec les rois d`Israël.
13. "Ary Joasy lasa nodimandry any amin' ny razany, ary Jeroboama no nipetraka tamin' ny sezafiandrianany; ary Joasy dia nalevina tany Samaria tao amin' ny mpanjakan' ny Isiraely."
14. Now Elisha was fallen sick of his sickness whereof he died. And Joash the king of Israel came down unto him, and wept over his face, and said, O my father, my father, the chariot of Israel, and the horsemen thereof.
14. "Élisée était atteint de la maladie dont il mourut; et Joas, roi d`Israël, descendit vers lui, pleura sur son visage, et dit: Mon père! mon père! Char d`Israël et sa cavalerie!"
14. Ary Elisa dia nararin' ny aretina izay hahafaty azy. Ary Joasy, mpanjakan' ny Isiraely, nidina nankany aminy ka niondrika nitomany teo ambonin' ny tavan' i Elisa ka nanao hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô, e ny kalesin' ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny!
15. And Elisha said unto him, Take bow and arrows. And he took unto him bow and arrows.
15. Élisée lui dit: Prends un arc et des flèches. Et il prit un arc et des flèches.
15. Ary hoy Elisa taminy: Makà tsipìka sy zana-tsipìka. Ary dia naka tsipìka sy zana-tsipìka izy.
16. And he said to the king of Israel, Put thine hand upon the bow. And he put his hand upon it: and Elisha put his hands upon the king's hands.
16. Puis Élisée dit au roi d`Israël: Bande l`arc avec ta main. Et quand il l`eut bandé de sa main, Élisée mit ses mains sur les mains du roi,
16. "Ary hoy izy tamin' ny mpanjakan' ny Isiraely: Henjano ny tsipìka. Dia nohenjaniny; ary Elisa nametraka ny tanany teo amin' ny tanan' ny mpanjaka."
17. And he said, Open the window eastward. And he opened it. Then Elisha said, Shoot. And he shot. And he said, The arrow of the LORD's deliverance, and the arrow of deliverance from Syria: for thou shalt smite the Syrians in Aphek, till thou have consumed them.
17. "et il dit: Ouvre la fenêtre à l`orient. Et il l`ouvrit. Élisée dit: Tire. Et il tira. Élisée dit: C`est une flèche de délivrance de la part de l`Éternel, une flèche de délivrance contre les Syriens; tu battras les Syriens à Aphek jusqu`à leur extermination."
17. Ary hoy izy: Vohay ny varavarankely atsinanana. Ary dia novohany. Dia hoy Elisa: Alefao. Ka dia nalefany. Ary hoy izy: Zana-tsipìkan' ny famonjen' i Jehovah, dia zana-tsipìkan' ny famonjena hahavoa ny Syriana! fa hamely ny Syriana ao Afeka ianao mandra-pandringanao azy.
18. And he said, Take the arrows. And he took them. And he said unto the king of Israel, Smite upon the ground. And he smote thrice, and stayed.
18. Élisée dit encore: Prends les flèches. Et il les prit. Élisée dit au roi d`Israël: Frappe contre terre. Et il frappa trois fois, et s`arrêta.
18. Ary hoy koa izy: Raiso ny zana-tsipìka. Dia noraisiny. Ary hoy izy tamin' ny mpanjakan' ny Isiraely: Kapohy ny tany. Ary nokapohany intelo dia nitsahatra izy.
19. And the man of God was wroth with him, and said, Thou shouldest have smitten five or six times; then hadst thou smitten Syria till thou hadst consumed it: whereas now thou shalt smite Syria but thrice.
19. "L`homme de Dieu s`irrita contre lui, et dit: Il fallait frapper cinq ou six fois; alors tu aurais battu les Syriens jusqu`à leur extermination; maintenant tu les battras trois fois."
19. "Ary ilay lehilahin' Andriamanitra dia tezitra taminy ka nanao hoe: Tokony ho nikapoka indimy na inenina ianao, dia ho nasianao ny Syriana mandra-pandringanao azy; fa izao dia intelo ihany no hamelezanao ny Syriana."
20. And Elisha died, and they buried him. And the bands of the Moabites invaded the land at the coming in of the year.
20. Élisée mourut, et on l`enterra. L`année suivante, des troupes de Moabites pénétrèrent dans le pays.
20. Ary dia maty Elisa ka nalevina. Ary ny mpitoha adin' ny Moabita nananika ny tany tamin' ny fitsingerenan' ny taona.
21. And it came to pass, as they were burying a man, that, behold, they spied a band of men; and they cast the man into the sepulchre of Elisha: and when the man was let down, and touched the bones of Elisha, he revived, and stood up on his feet.
21. Et comme on enterrait un homme, voici, on aperçut une de ces troupes, et l`on jeta l`homme dans le sépulcre d`Élisée. L`homme alla toucher les os d`Élisée, et il reprit vie et se leva sur ses pieds.
21. "Ary izao no niseho raha nisy nandevina olona, dia indro nahita ireo mpitoha ady izy, ka dia natsipiny tao am-pasan' i Elisa ny faty; ary raha vao naidina ralehilahy ka nikasika ny taolan' i Elisa ny fatin-dralehilahy, dia velona izy ka nijoro tamin' ny tongony."
22. But Hazael king of Syria oppressed Israel all the days of Jehoahaz.
22. Hazaël, roi de Syrie, avait opprimé Israël pendant toute la vie de Joachaz.
22. Fa Hazaela, mpanjakan' i Syria nampahory ny Isiraely tamin' ny andro rehetra nanjakan' i Joahaza.
23. And the LORD was gracious unto them, and had compassion on them, and had respect unto them, because of his covenant with Abraham, Isaac, and Jacob, and would not destroy them, neither cast he them from his presence as yet.
23. Mais l`Éternel leur fit miséricorde et eut compassion d`eux, il tourna sa face vers eux à cause de son alliance avec Abraham, Isaac et Jacob, il ne voulut pas les détruire, et jusqu`à présent il ne les a pas rejetés de sa face.
23. Ary Jehovah namindrafo taminy sy niantra azy ary nitsinjo azy noho ny fanekeny tamin' i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka tsy te-handringana azy, na hanaisotra azy tsy ho eo anatrehany mandraka ankehitriny.
24. So Hazael king of Syria died; and Benhadad his son reigned in his stead.
24. Hazaël, roi de Syrie, mourut, et Ben Hadad, son fils, régna à sa place.
24. "Ary maty Hazaela, mpanjakan' i Syria; ary Beni-hadada zanany no nanjaka nandimby azy."
25. And Jehoash the son of Jehoahaz took again out of the hand of Benhadad the son of Hazael the cities, which he had taken out of the hand of Jehoahaz his father by war. Three times did Joash beat him, and recovered the cities of Israel.
25. Joas, fils de Joachaz, reprit des mains de Ben Hadad, fils de Hazaël, les villes enlevées par Hazaël à Joachaz, son père, pendant la guerre. Joas le battit trois fois, et il recouvra les villes d`Israël.
25. Ary Joasy, zanak' i Joahaza, naka indray teo an-tanan' i Beni-hadada, zanak' i Hazaela, ny tanàna izay efa nalain' i Hazaela teo an-tanan' i Joahaza, rain' i Joasy, tamin' ny ady. Intelo no nandresen' i Joasy azy, ka dia azony indray ny tanànan' ny Isiraely.